ActualitésTatitra

France : Iza moa i Pierre Richard ?

Mpilalao, mpamokatra, mpanoratra ary mpanatontosa horonantsary frantsay i Pierre-Richard de Fays omena ny anaram-bositra hoe « Le Grand Blond ». Teraka ny 16 aogositra 1934 tao Valenciennes izy ary lasa kintan’ny horonantsary mahatsikaiky frantsay nanomboka tany amin’ny taona 1970.

Ny filalaovana anjara-toeran’olona « burlesque », mpanonofy ary mpigafigafy tamin’ny horoanantsary nolalaoviny no anisany tena nanandratratra an’i Pierre-Richard teo amin’ny tontolon’ny kanto. Efa nilalao an’i François Pignon (na François Perrin) tao amin’ny horonantsarin’i Francis Veber izy ary mbola antsoina amin’ny anarana hoe « Le Grand Blond » nanomboka tamin’ny nilalaovana taminilay horonantsary « Le Grand Blond avec une chaussure noire » (1972).

Laisser un commentaire