Mayotte : Inona moa ny CR8 ?
Isany ireo manam-pahefana manatevin-daharana ireo polisy miasa mandritra ny hetsika Wuambushu ao Mayotte ny CR8. « Huitième compagnie républicaine de sécurité » izy io izay niforona tamin’ny taona 2021 ary misahana manokana ny fampandriam-pahalemana an-tanàn-dehibe.
Vehivavy sy lehilahy manodidina ny 200 isa voafantina no miasa ao amin’io brigady io. Nandalo fitsapana ara-batana maromaro sy henjakenjana izy ireo ary nohofanina manokana hiasa amin’ny tontolo ny tanàn-dehibe sy hiady amin’ny fihetsiketsehana feno herisetra.
Ny fomba fiasan’ny CR8 no mampiavaka azy amin’ny CRS. Tsy miaro tena amin’ny ampinga manoloana ny mpanakorontana sady manipy baomba mandatsa-dranomaso izy fa mirotsaka an-tsehatra sy mifangaro mihitsy ary tokony mahay manova fomba fiasa haingana.
