Manandriana : Tontosa ny fampiofanana nataon’ny fikambanana Miotisoa ho an’ireo vehivavy
Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana nataon’ny fikambanana Miotisoa, tao amin’ny kaominina Manandriana ny faran’ny herinandro teo. Afa-po hatrany ny fikambanana ao anatin’ny fanatanterahana izany sy ny fizarana traik’efa amin’ireo vehivavy isaky ny kaominina.
« Hafaliana ho an’ny fikambanana hatrany ny mandray anjara amin’ny fampivoarana ny vehivavy. Hisaorana ireo mpandray anjara rehetra nandritra izany satria naneho fahavononana tokoa ireo vehivavy tao an-toerana » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fikambanana.
« Tahaka ireo fampiofanana natao tany amin’ny kaominina teo aloha, karazana mofo maro ihany koa no vitan’ireo vehivavy mpiofana teto Manandriana, nahafinaritra tokoa ny fiofanana satria hita ny fahavononan’ireo mpiofana » hoy hatrany ny fanazavana.
Manome tosika ny vehivavy hampivoatra ny tontolo na eo amin’ny fitadiavam-bola na fahaiza-manao ny fampiofanana tahaka izao. Mbola mitohy hatrany moa ity hetsika fampiofanana mahakasika ny hay mofo atolotry ny Association Miotisoa ity.
Manitra R.
