ActualitésTsidika

5% amin’ny mpitady asa ihany no mahazo

Anisan’ny olana goavana eto Madagasikara ny tsy fifandrifin’ny asa ho atao amin’ny fiofanana izay azo, hoy ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, mpahay toe-karena sady mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Raha ny fandalinana nataony dia ny 5% amin’ny mpitady asa eto amin’ny Nosy ihany no sendra izany.

Nanamafy anefa izy fa 70,6% amin’ireo toerana mitady mpiasa ao amin’ny orinasa iray dia tsy mahita ny olona mifanaraka amin’izany noho io tsy fifanarahan’ny asa atao sy ny fiofanana nomena io. Anisan’ny olan’izany ihany koa ny fahamabanian’ny tahan’ny fampianarana. 3,1% amin’ny Malagasy ihany no nandalo ambaratonga ambony raha toa ka 23% no tsy mahay taratasy.

Nanome vahaolana ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé manoloana izany fa mila fanavaozana ny fanofanana arak’asa, na eo amin’ny kalitao izany na eo amin’ny habe mba hifanaraka amin’ny andrasan’ireo mpamorona asa. Etsy ankilany dia tsy maintsy manonitra ny fahatarana mivangongo eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fanofanana ihany kosa i Madagasikara, hoy izy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire