Amoronakona : Fiara lehibe fitaterana solika no nivadika
Fiara lehibe iray fitanterana solika no nivadika ao amin’ny làlana Rocade Amoronakona omaly. Marihina fa misy amin’ireo tombin-tsolika no lany tahiry, ka andeha hanatitra ireo solika mihitsy ity fiara lehibe ity no izao niaran’ny lozam-pifamoivoizana izao.
Araka ny voalazan’ny Ranto, nanatrika teny an-toerana dia tsy mbola hay mazava ny antony nahatonga izao loza izao. Ireo solika netin’ilay fiara lehibe fitanterana solika moa dia very niparitaka amin’ny lalana avokoa. Mihezaka mitady vahaolana hafa hatrany ireo tompon’andraikitra makasika ny solika.
Famenontsoa Rajerison
