SocialTsidika

Menabe : Manjaka ny tsy fandrim-pahalemana

Mampiteny ny moana mihitsy ny tsy fandriam-pahalemana ao Menabe volana maro
nifandimby izay. Fanafihana sy vono olona, fandrobana sy fakana an-keriny,
fanakanana ny fiara mpitatitra eny amin’ny lalam-pirenena, halatra
sesilany: izany no mameno ny tontolon’ireo mponina any an-toerana.

« Mpitandro filaminana, mpitondra sy mpitsara no miray loha sy miara-miasa
amin’io tsy fandriam-pahalemana io. Efa tsy hita intsony izy ity » hoy ny
vahoaka. Raha ny filazan’ny mponina ihany: Tsy afa-manohitra satria raha
mbola eto an-toerana no hitady vonjy dia zava-poana. « Efa maro ny
fitarainana sy fihaonana tsy an-kijanona no vita, hatreny amin’ny Fitsarana
sy ny Bianco fa tsy nisy vokany ». Efa nisy kosa ny fitsidihana ifotony
nataon’ny Ministry ny Fiarovam-pirenena teo aloha ary nilaza ny hamaha ny
olana farak’izay haingana saingy mbola eo am-piandrasana izany hatrany ny
vahoaka.

Efa vita ny teo aloha, nahatsiaro nijaly ny mponina. Miandrandra kosa izao
governemanta vaovao vao tafatsangana izao mba hanao laharam-pahamehana ny
fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Aiza ho aiza ny fanatanterahana ny
velirano voalohany mandrafitra amin’ny IEM amin’izao horohoron’ny Malagasy
izao ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire