Sehatra tsy miankina : Mikaroka tetika hialàna amin’ny krizy sy fanarenana ara-toekarena
Manao antso avo ny avy eo amin’ny sehatra tsy miankina. Arak any
fanadihadihana notanterahina tamin’ny volana aprily 2021 teny anvon’ny
sehatra tsy miankina, manodidina ny 80% ireo orinasa no nahitana
fitontonganana ny teo amin’ny tontolo ny fandraharana nandrira izay roa
taona 2019-2020. Ary latsaky ny 50% ireo orinasa no manana fanantenana ny
hanariana y toekaren’izy ireo ay ny 60% amin’izy ireo no tsy miheritreritra
ny hampiasa vola amin’ny ity taona 2021 ity noho ny toe-javatra
ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Nizara ny ahiahy sy ny tebitebiny tao anatin’ny taratasy nalefa hoan’ny
Filoham-pirenena ireo vondrona sy syndika matihanina eo amin’ny sehatra tsy
miankina manara-dalàna eto Madagasikara manoloana ny zava-misy
ara-toekarena ankehitriny. Araka ny fanambaran’izy ireo : « mahatsapa
tanteraka ny fiainana amin’izao vanim-potoana manokana amin’ity krizy
ara-pahasalamana maneran-tany ity izahay sehatra tsy miankina ary mahatsapa
ihany koa ny ezaka ataon’ny fitondrana amin’ny fitsinjovana ny vahoaka. Na
izany aza, ny tsy fisian’ny tetika mazava hivoahana amin’ny krizy no
miteraka fatiantoka eo amin’ny toe-karena ankapobeny sy ny asa. Mijaly ireo
sehatra ara-toekarena manerana ny Nosy ».
Nanantanteraka tombatombana ny amin’ny 16 volana tao anaty krizy ny sehatra
tsy miankina. Hita tao anatin’izany fa na dia niezaka tamin’ny herin’ny
tenany ary ny orinasal ary na dia tsy nandray fanampiana avy amin’ny
fanjakana toy ny an’ny firenena sasany. Nahitana fidinana eo amin’ny
amin’ny 44% noho ny tamin’ny taona 2019 ireo asa sy ireo vola miditra
amin’ny sehatra tsy miankina ary midina hatrany amin’ny 90% izany hoan’ny
sehatry ny fizahantany. Arak’izany maro amin’ireo mpampiasa no voatery
mandroaka ireo mpiasa nohon’ny antony ara-toekarena ny orinasa. Araka ny
tatitry ny Banky iraisam-pirenena, manodidina ny 1,4 tapitrisa ny olona
tafalatsaka tao anatin’ny fahantrana tanteraka ny taona 2020 noho ny
fahaverezana asa eny amin’ny orinasa sy indostria. Ny fikatonan’ny
sisin-tany efa ho iray taona sy tapany no miteraka fiantraikany ratsy eo
amin’ny fifanakalozana ara-toekarena. Voakasika manokana amin’izany ireo
mpisehatra eo amin’ny fizahantany. Hoan’ireo vondrona sy syndika matihanina
eo amin’ny sehatra tsy miankina manara-dalàna eto Madagasikara, tena
sahirana sy mafy ny mahazo ny toe-karena eto Madagasikara.
Koa miangavy izy ireo ny mba hametrahana tetikasa maharitra hivoahana
amin’izao krizy izao ary mangataka fihaonana amin’ny Filoham-pirenena
hiresahana mahakasika izany eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ireto
vondrona sy fikambanana ireto.
Sitraka Rajaonarivony
