ActualitésTatitra

France : Hiakatra 24 euros ny SMIC isam-bolana manomboka ny 1 janoary 2023

Hiakatra 24 euros izany hoe ho lasa 1 353 euros isam-bolana ny karama farany ambany eken’ny lalàna na SMIC ao La Réunion manomboka ny 1 janoary 2023. Natao hitsinjovana ny fahefambidy fampiankarana mahatratra hatramin’ny 1,8% io raha ny fanazavana.

Ho an’ireo miasa 35 ora isa-kerinandro dia 1 709 euros ny SMIC, 11,27 euros kosa izany ho an’ireo miasa isan’ora. Amin’ny fiandohan’ny taona no tena mametraka fanovana ny SMIC ireo tompon’andraikitra saingy misy fotoana miova eny an-tenantenany izany rehefa tafiatraka 2% ny halafosan’ny vidim-piainana.

Laisser un commentaire