ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mitohy ny hetsika fanampiana ny tantsaha ataon’ny fikambanana Mitia-soa

Mitohy hatrany ny hetsika ara-tsosialy ataon’ny fikambanana Mitia-soa, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Iharamy sy Andranomanonga indray no nisitraka ireo fanampiana, araka ny voalaza.

« Ho fanampiana sy fampivoarana ny tantsaha dia nanolotra zezika organika sy voambilona  Ray grass ho an’ny mponina teto amin’ny fokontany Iharamy sy ny Fokontany Andramanonga ny fikambanana » hoy ny tomponandraikitra.

« Rehefa midina ifotony toa izao moa dia tsy adino hatrany ny fanomezana solom-body akoho ho an’ireo zokiolona sy fiarahabana manokana ireo tera-bao, ary fanomezana baolina kitra ho an’ny tanora sy fizarana vatomamy ho an’ny zaza madinika » hoy hatrany ny fanazavana.

Manao ezaka hatrany ny fikambanana amin’ny fihainoana sy fanampiana ireo mponina eny ifotony, araka ny filàn’ny tsirairay amin’ny fampandrosoana.

Laisser un commentaire