France : Vehivavy 70 taona nilaza fa niharan’ny herisetra tamin’ny olona tsy fantany
Vehivavy iray 70 taona no nanao fanambarana tany amin’ny polisy, tao Paris, fa niharan’ny fanolanana tamin’ny olona tsy fantany, izay nanampy azy nitondra entana, rehefa izy avy niantsena izy, ny alahady teo. Madiva harivan’ny alahady, nivoaka ny trano hiantsena izy no nifanehitra tamin’ny olona iray, ary nangataka ny hanampy azy hitondra ny entany ity farany, mandrapahatonga tany an-tranony. Rehefa tonga tao dia nanaparany ny filàny ity vehivavy ity ary nandositra ity lehilahy ity, araka ny fanazavany tamin’ny polisy. Noho ny fahatairany tamin’ny zava-misy dia niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany ity vehivavy ity, saingy hatreto tsy mbola nisy ny valin’ny fanadihadiana.
