ActualitésTatitra

Comores : Hanohana ny fampiantranoan’ny nosy ny « jeux des îles 2027 » i Chine

Nilaza ny ambasadoran’i Chine ao Moroni, Guo Zhijun fa raha manana fahefana hifidy ny firenena hampiatrano ny « jeux des îles 2027 » izy ireo dia handatsa-bato ho an’i Comores. Nanamafy ny tenany fa hanampy ny nosy amin’izany fotodrafitrasa mety ho ilaina i Chine ary vono ny hizara traikefa.

« Efa nampiantrano lalao maro i Chine, isan’izany ny lalao olympika, ka vonona ny hanolo tanana an’i Comores sy hizara traikefa aminy amin’ny fikarakarana lalao ara-panatanjahatena » hoy i Guo Zhijun. Nampatsiahy io tompon’andraikitra io nandritra ny lahateniny fa efa nanangana ny kianja ao Maluzini i Chine.

Tsy milavo lefona nefa i Mayotte, izay maniry ny hampiantranoan’ny nosy ny « jeux des îles 2027 »  ihany koa, manoloana izany tolo-tanana goavana azon’i Comores izany. Efa miroso sahady amin’ny fananganana sy fanavaozana fotodrafitrasa maro izy ireo amin’izao fotoana hiomanana amin’izany sahady. Raha tsiahivina dia tohanan’ny fanjakana frantsay ihany koa ity vondronosy ity.

Laisser un commentaire