ActualitésTatitra

La Réunion : Hisy ny hetsika fanohanana arak’asa

Hotontosaina ny 29 sy ny 30 novambra izao ao Afpar de Saint-André ny hetsika « RDV Métiers » andiany voalohany. Natao hampahafantarana, hanoroana ary hampidirana eo amin’ny tontolon’ny asa io hetsika io izay natao indrindra ho an’ireo mpitady asa, mpianatra ary ireo niala fianarana.

Ho an’io andiany voalohany io dia sehatra telo no tena hasongadina : ny asa fanorenana na BTP, ny « hôtellerie-café-restauration » ary ny varotra sakafo na « métiers de bouche ». Asa 7 ao anatin’izany ihany koa no hifantohana dia ny mpanao trano, mpandroso sakafo, mpanao mofo, mpivarokena (boucher-charcutier-traiteur), « chef de cuisine-cuisinier », « chef de chantier cadre ou non cadre » ary « grutier ».

Olona 750 eo ho eo kosa no andrasana amin’io hetsika io hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire