Pérou : Vehivavy iray no hita voatetitetika teo amoron-tsirak’i Huacho
Vehivavy nonina tao Mexique i Balanca Arellano, 51 taona. Nifampiresaka an-jotra tamin’i Juan Pablo Jésus, lehilahy 37 taona monina ao Pérou izy ary latsa-pitia taminy. Nafana ny fitiavan’izy ireo tao amin’ny tambajotra-tserasera ka nanapa-kevitra ny niazo an’i Lima ao Pérou i Balanca Arellano ny 31 oktobra teo hijery io olo-tiany io.
Ny 7 novambra i Balanca Arellano no nandefa hafatra farany ny fianakaviany fa nilamina ny tantaram-pitiaviany tao Pérou. Tsy nandrenesana vaovao intsony izy taorian’izany ka nitaintaina ireo havana. Manoloana izany dia niantso an’i Juan Pablo Jésus izy ireo. Nilaza ity farany efa nandray sidina niverina tao Mexique i Balanca Arellano fa tsy nifanaraka izy ireo.
Niahiahy tamin’izany valin-teny izany nefa ny fianakavian’ilay vehivavy ka niantso ny manam-pahefana tao Pérou. Taorian’izany dia hita teo amoron-tsorak’i Huacho ny rantsantanan’i Balanca Arellano mbola nisy ny peratra volafotsiny ka namantarana azy. Ny ampitso dia hita teo an-toerana ihany koa ny lohany sy ny tanany, ary ny afak’ampitso vao hita ny tratrany sy ny vatany izay efa tsy nisy taova intsony.
Fantatra fa mpianatra mpitsabo i Juan Pablo Jésus izay namoaka sary taova tao amin’ny tamba-jotra Tik Tok-ny taorian’ny tsy nahitana an’i Balanca Arellano. Nahitana rà ihany koa tao an-tranony saingy mbola tsy voamarina raha an’io vehivavy io tokoa izany. Efa nosamborina nohon’ny fanondranana taova kosa ilay lehilahy.
