ActualitésTatitra

Liban : « Couche » no atao solon’ny « serviette hygiénique »

Mihanaka ao Liban loatra ankehitriny ny krizy ara-toe-karena, hany ka lamba famafana na ireny « couche » ho an’ny zaza ireny no ataon’ny vehivavy solon’ny « serviette hygiénique ». Tsy manana fahafahana intsony izy ireo hividy izany ka izany no fanaony isam-bolana isaky ny tonga ny fadimbolana.

Miakatra ny vidin’ny « serviette hygiénique » ka mahatonga anay tsy te ho tonga fotoana intsony hoy ny vehivavy 28 taona iray. Raha 3 000 livres (7 700 ariary) no vidin’izany teo aloha dia lasa 13 000 (34 000 ariary) hatramin’ny 34 000 livres (87 000 ariary) izany ankehitriny.

Tsy misy azo atao ho an’ny tsy manana hafa-tsy ny mampiasa ny « couche » ho an’ny zaza izay nozaraina no sisa hevitra, na lamba famafana no ampiasaina. Mihanaka ny fitotonganana ara-ekonomika any Liban amin’izao ka ny 55% ny mponina izao no latsaka anaty fahantrana tanteraka amin’izao.

Laisser un commentaire