Maurice : 15 ny tranga hita ny alin’ny 30 jona teo
Mitohy hatrany ny ady manoloana ny valan’aretina Covid-19 ho an’ny nosy Maurice. Nahitana tranga 15 indray tany an-toerana raha ny tatitra navoaka ny 1 jolay lasa teo. 4 no hita fa mitondra ny coronavirus raha ny fitiliana natao tao amin’ny hôpitaly Dr A.G Jeetoo.
Mponina avy any amin’i Port Louis ny roa, avy any Terre Rouge ny iray ary avy ao Coromandel ny iray. 11 Kosa no fitiliana nahitana valiny mihabo amin’ny aretina Covid-19 tao amin’ny fianakaviana iray ao Terre Rouge. Fitiliana fanao ao an-trano ihany no nampiasain’izy ireo azy izao mitondra ny aretina izao ny valiny.
