SocialTatitra

La Réunion : Mahazo vahana ny valan’aretina Dengue

Miakatra be ny tahan’ny mararin’ny Dengue ao La Réunion amin’izao. 758 ny tranga hita nanomboka ny 15 hatramin’ny 21 Martsa tao amin’ny nosy. Voakasikin’ny aretina avokoa ny kaominina 20 fa ny foibeny no any andrefan’ny seranan-tsambo, Saint Paul, La Possession ary any Saint Joseph. 2 648 araka izany ny tranga voamarina nanomboka ny 1 Janoary ary 114 ireo any an’hôpitaly fa 308 no araha-maso akaiky. Noho izany nampilaza ny avy ao amin’ny Prefektiora sy ny ARS fa mila manantona mpitsabo avy hatrany ny olona vantany vao miseho ny marika famatarana mba hanamorana ny famerana ny fiparitahan’ny aretina. Ilaina ihany koa ny miaro amin’ny kaikitry ny moka sy ny fanafoanana ny toerana fiompiana any aminy avy hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire