Nigéria : Miteraka savorovoro ny fandehanan’ny filoha Buhari any Londres
Nampiteraka savorovoro teo amin’ireo mponina sy ny mpitantana isan-tsokajiny ao Nigéria ny fandehanan’ny filoham-pirenena Muhammadu Buhari any Londres ny alakamisy 31 martsa. Olana ara-pahasalamana no tsy maintsy nanapahan’ity filoham-pirenena nigeriana ity hevitra nivoahana ny firenena. Etsy ankilan’izay anefa, misedra olana manoloana ny valanaretina covid-19 ny ao Nigeria ary maminavina hanao fihetsiketsehana ireo mpitsabo. Tsy zarizary hoy ny mponina ny fitsaboana ao an-toerana nefa mahavita mivoaka ny firenena ny filoha raha hitsabo tena. Misy araka izany ireo fanehoan-kevitra miparitaka any amin’ny tambazotran-tserasera isan-karazany fa indrindra ny Twitter manoloana ny fangataham-pialan’ny filoha Buhari. Maminavina fihetsiketsehana manoloana ny karama tsy voaloha ihany koa ireo mpitsabo hoy ny solon-tenan’izy ireo ny alakamisy lasa teo hatrany. Mitotaly ho 200 tapitrisa ieo mponina ao Nigeria, raha toa ka 42 000 tapitrisa ireo mpitsabo raha araka ny antontan’isa navoakan’ny fikambanamben’ny mpitsabo ao an-toerana na ny NMA. Mpitsabo 2 ho an’ny olona manodidina ny 10 000 araka izany. Manginy fotsiny ny kalitaon’ny toeram-piasana.
