SocialTatitra

Rwanda : Manameloka ny famoretana atao amin’ireo youtubeurs sy blogeurs ny Human Rights Watch

Mandrahona ireo olona maneho hevitra amin’ny haitao indray ireo manam-pahefana ao Rwanda taorian’ny namerana ny fahafahana manao izany amin’ny haino aman-jery isankarazany, hoy ny Human Rights Watch (HRW) ny talata 30 martsa lasa teo. Nanambara ity ONG miaro ny zon’olombelona ity fa olona 8 naneho hevitra mahakasika ny valanaretina covid-19 tao amin’ny tambazotran-tserasera izao no nahazo fandrahonana na nosamborina tany amin’ny toeram-ponenan’izy ireo mihitsy aza, tamin’ny taon-dasa. Tafiditra ho anisan’ireo olona samborina ihany koa ireo izay maneho hevitra ka heverina ho manohitohina ny fitondrana. Tsy mifidy olona ireo manam-pahefana fa voakasik’izany avokoa hatramin’ny mpanakanto isan-tsokajiny. Blogueurs 4 sy mpitondra fiara miasa amina fantsona youtube izay nitatitra ny fiantraikan’ny valanaretina covid-19 amin’ireo olona tena mahantra no nosamborina sy nogadraina ny volana aprily 2020. Navotsotra kosa izy ireo taorian’izay. Miantso ireo mpitantana handray anjara amin’ny fivorian’ny mpitondra ny governemanta mandritra ny Commonwealth araka izany ny ONG HRW mba hamoritra an’i Rwanda hamerenana ny fanomezan-danja ny fahalalahana maneho hevitra ao an-toerana.

Laisser un commentaire