SocialTatitra

Mali : Mitarazoka ny fitsarana ireo voafonja ao amin’ny fonjan’i Mopti

Isan’ny fonja ahitana gadra efa antaonany maro ny fonjan’i Mopti, afovoan’ny faritra iharan’ny fanafihana djihadiste betsaka indrindra ao Mali. Maro ireo voafonja tokony efa niatrika fitsarana saingy mbola mitoetra ao Mopti foana amin’izao fotoana izao no ho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso. Mihamaro ny fanafihana ataon’ireo vondrona mpampihorohoro ao amin’io toerana misy ny fonja io ka ny fiarovana ny mponina no laharam-pahamehan’ireo manam-pahefana. Adino noho izany ny mahakasika ireo voafonja tokony efa nahavita ny saziny. Maro amin’izy ireo no nizara ny ahiahiny manoloana ny fanafihana miseho any ivelany sy ny fiarovana ny ankohonany. Tsy zarizary ihany koa anefa ny fotodrafitr’asa ao amin’ny fonja. Fotoana fohy ihany hoy ny filohan’ny fonja ao Mopti no omena ireo vondrona mpampihorohoro hidirany ao anatiny raha manapa-kevitra ny hanao fanafihana ao izy ireo. Mihorohoro manoloana izany ihany koa ireo mpiasan’ny fonja rehetra. Manao antso avo ny mpiandraikitra isan-tsokajiny araka izany ny ao amin’ny fonjan’i Mopti (na ny mpiandraikitra na ny voafonja) ny mba hijerena ny mahakasika azy ireo.

Laisser un commentaire