SocialTatitra

Niger : Miaramila maromaro voasambotra taorian’ny andrana fanonganam-panjakana

Miaramila maromaro no voasambotra taorian’ny fitifirana niseho teny amin’ny trano fonenan’ny filoham-pirenena vaovao Mohamed Bazoum, ao Niamey, Niger, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Nisy horonantsary niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera nampiseho ny fitifirana io alina io. Tsy mbola voaporofo kosa ny fahamarinan’ilay horonantsary hoy ny manam-pahefana. Raha tsiahivina, tsy faly tamin’ny fandresen’ny filoha Bazoum tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny volana lasa teo ny mpifanandrina taminy, Mahamane Ousmane. Niantso fihetsiketsehana izy ary nilaza fa tokony izy no nibata ny fandresana tamin’io fotoana io. Tsy neken’ny manam-pahefana tao Niger anefa izany ary tsy nahazoany alalana. Mipetraka araka izany ny ahiahin’ireo manam-pahefana sy ireo mpanohana ny filoha amperisan’asa manoloana ny antom-pisian’ilay fanafihana ny alin’ny talata hifoha alarobia io. Efa andalam-panaovana ny fanadihadiana ireo miaramila voasambotra ny manam-pahefana ao Niger amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire