ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Belanitra ny « Fête foraine special vacances”

Tao amin’ny fokontany Belanitra no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Fête foraine special vacances” izay natolotry ny kaominina sy ireo tomponadraikitra miisa 18 isam-pokontany ao Ankadikely Ilafy. Ny zoma 04 aogositra no nanomboka ny hetsika ary hiparika hifanesy manerana ireo fokontany izany, araka ny voalaza.

“Teto amin’ny Fokontany Belanitra no nanaovana ny lanonam-panokafana fa ny hetsika kosa dia hipariaka mifanesy manerana ny fokontany rehetra ao anatin’ny 4 herinandro. Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny hanomezana fialamboly ho an’ny rehetra, indrindra ny ankizy amin’izao fialan-tsasatry ny mpianatra izao” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Nandritra izany lanona izany ihany koa no nitafa mivantana tamin’ireo mponina eto an-toerana ireo tomponandraikitra eto anivon’ny kaominina ka nandraisana ny hetahetan’izy ireo sy izay fifanomezan-tanana azo tanterahina ho fanatsarana ny asa fivelomana, indrindra ny fampandrosoana ny seha-pambolena sy ny fiompiana.” hoy hatrany ny fanazavana.

Tonga nifanotrona teto ny avy amin’ny kaominina sy ireo sefo fokontany ka ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanàna no nisolontena azy nanao ny lahateny fanokafana ara-pomba ofisialy. Nisy moa ny varotra fampiratiana ireo vokatry ny tany sy ireo asan-tanana izay mampiavaka ity fokontany ity nandritra ny lanonana.

Manitra R.

Laisser un commentaire