Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fampiofanana ho fanatsarana ny seha-pihariana fototra
Mitohy hatrany ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana izay karakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny Centre de formation Agricole Aina, Enfance et Avenir amin’izao fotoana izao. Tanjona ao anatin’izany ny hanatsara ny seha-pihariana fototra, izay hiveloman’ny ankabeazan’ny mponina ao anatin’ny kaominina.
« Taorian’ny fampiofanana mahakasika ny fiompina bitro sy akoho fakana nofo dia ny fiompiana akoho manatody lava indray no ho tanterahina ny Alarobia 09 Novambra 2022 ho avy izao. Koa manasa antsika sahady ho tonga maro hatrany fa ny mpampiofana dia matihanina ary manampy betsaka amin’ny toro-hevitra sy ny fanatsaràna ny fahaizana miompy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Mahakasika ny tetiandro manaraka, ny fampiofanana mhakasika ny fiompiana akoho manatody lava no hatao ny faha 9 novambra. Fampiofanana mahakasika ny fiompiana kisoa hatavezina na hampiterahana kosa ny faha 23 ny volana. Maimaim-poana hatrany ny fiofanana ao anatin’izany » hoy ny avy ao amin’ny Centre de formation Agricole Aina, Enfance et Avenir.
Mahavelona ary afaka hanaovana fidiram-bola tsara ny fiompiana raha eto Madagasikara. Ho an’ireo tanora mitady asa na mitady famatsiam-bola samihafa, azo atao tsara ny manao fandraharahana ho an’ny resaka fiompiana. Ilaina anefa ny manaraka fiofanana hanatontosana izany.
Manitra Ramanantsoa
