France : Nampanantena ny fanafoanana ny « racaille » indray i Éric Zemmour
Sokajin’olona voahilikilika sy ankahalaina eo amin’ny fiaraha-monina noho ny fomba amam-panaony ratsy ny « racaille ». Matetika dia ireo olona sahirana indrindra no manao izany.Nampanan-tena ny fanafoanana ireo karazan’olona ireo kosa ny kandida Éric Zemmour. Nilaza izy fa tsy trangam-piaraha-monina intsony ny fanatanterahana izany fa tantara mihitsy satria fanavaozana ny mponina mpanimba, mpandromba, mpangalatra, mpamono olona mihitsy no ho atao. »Mila ampihorohoroina ny mpampihorohoro » hoy izy, mila hasiana amin’ny lafiny rehetra izy ireo alina ny tahirim-bolana, ny fananany ary roahina ao amin’ny HLM (habitation à loyer modéré).
