ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tonga ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba ny hazavana

Mazava ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohitrarahanaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Tafapetraka tamin’ny faran’ny herinandro teo ireo jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, hanazava ny tanàna.

« Efa ela no niandrasana izao jiro hazavana izao. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka sy ny fametrahana izany tety an-toerana satria anisan’ny toerana maizina tokoa tety teo aloha » hoy i Feno, mponina ao Ambohitrarahaba.

« hinoana fa hiena kokoa ny asa fanendahana amin’izao fisian’ny hazavana izao ety an-toerana. Ny mponina ihany koa dia entanina mba samy hikojakoja sy ho sarotiny amin’itony fananana iombonana itony. Miainga amin’izany toe-tsaina izany no mampisy ny fandrosoana ety an-tanàna » hoy i Clara, renim-pianakaviana.

Teny amin’ny lalana ambany andrefana Andalanomby moa ity nametrahana ny jiro manazava ny tanàna ity. Ankoatra izay anefa, mbola misy ireo faritra hafa tsy tongan’ny hazavana ao amin’ity fokontany ity, miandry ny anjarany araka izany ireo mponina.

Laisser un commentaire