Simba tanteraka ny lalana eny 67Ha
Mia-simba tokoa ny lalana eto Antananarivo indrindra tao aorinan’ny fahavaratra. Na dia efa manao ny asany aza ireo tompon’andraikitra, mbola maro ny lalana mila fanamboara anisan’izany ny eny 67Ha. Mapikolay ny mponina eny 67Ha ankehitriny ny lalana eny an-toerana. Velo-taraina izy ireo ny amin’ny faharatsin’ny lalana manomboka eo amin’ny Boulevard de l’europe mandalo Coum 67 Ha sy Ny Havana. Fahasimbana, fotoka sy lavaka no hita raha ny amin’iny toerana iny. Tsy mampino ny zava-misy amin’ny maha Antananarivo renivohitra an’ny 67 Ha hoy ny olona mipetraka eny an-toerana. Mampahatsiaro ny lalana any ambanivohitra iny lalana iny hoy hatrany izy ireo. Rano-tany nalaina teny Akorondrano no nalain’ny CUA nanotofana ny lavaka misy raha nambaran’ny olona tany an-toerana hatrany. Misy fiatraikany goavana amin’ny fiainam-bahoaka ity olana ity satria sarotra ho azy ireo ny fivezivezena raha tsy hiteny afatsy ny fitoanana hanterak’izany. Manao antso avo ho an’ny tompon’andraikitra arak’izany mba hijery ifotony ny zava-misy eny an-toerana. Miandrandra ihany koa ny fanamboarana ny lalana aingana mba hanamorana ny fivezivezena.
