ActualitésTsidika

Talata volonondry: Tafatsangana ny klioban’ny baolina kitra ao an-toerana

Efa misy  ny klioban’ny baolina kitra ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, amin’izao fotoana izao. Ny « Association Sportive Everest » no misahana ny klioba, raha ny voalaza.

« Misokatra ho an’ny rehetra ny klioba ary vonona ny hanome ny tsara rehetra mba hanomezana toerana ny baolina kitra eto amin’ny kaominina. Indrindra hitondra ainga vao ho an’ireo zandry kely tia ity taranja ity » hoy ireo tomponandraikitra.

 » Amin’izao fitsanganana izao hatrany dia mandray ireo mpilalao ny klioba. Ao anatin’izany, mandray ireo ankizy rehetra ao anatin’ny sokajy U15, latsaky ny 15  taona sy ny U17, latsaky ny 17 taona, izay maimaim-poana avokoa » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny taranja manabe sy mitaiza ny baolina kitra ary ny fijoroan’ny klioba tahaka izao no manaporofo izany. Ao anatin’izany tokoa no hanosehana ny ankizy sy tanora, mamolavola ny sainy hanana tanjona sy hanatanteraka ny nofinofy.

Manitra R.

Laisser un commentaire