ActualitésTsidika

Fampianarana ambony: Reharehan’ny mpianatra Malagasy ny toerana misy ny Oniversiten’Antananarivo aty Afrika.

Niakatra indray ny isan’ny Oniversiten’Antananarivo ao amin’ny Edurank. Eo amin’ny faha 87 amin’ny Oniversite miisa 1 104 amin’izao fotoana izao no misy azy. Niakatra ny toerana misy azy raha faha 92 izy tamin’ny taona lasa. Maro ireo teboka jerena amin’ny fanoloran’ny Edurank itony laharana itony. Ity no Oniversite tsara indrindra eto Madagasikara raha tsy voaray ao anatin’ny Edurank ireo Oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana. Mirehareha ireo mpianatra Malagasy amin’izany isa izany.

“Ao anatin’ny teboka tsy maintsy jerena ao amin’ny Edurank ny isan’ireo “articles scientifiques publié”, « citations scientifiques ho an’ny Oniversite », ary ihany koa ireo fahamendrehan’ny mpianatra sy ny zava-bitan’izy ireo ivelan’ny fianarana. Anisan’ny nahazo isa tsara ny oniversiten’Antananarivo tamin’ireo ka afaka ny mirehareha ny mpisehatra rehetra. Tsy vitan’ny tompon’andraikitrta ireny izany fa eo ny mpampianatra sy ny mpianatra rehetra ihany koa. Tsapa izany na dia mbola any amin’ny taona faharoa sy fahatelo any aza ireo mpianatra ireo”, hoy ny Tompon’andraikitry ao amin’ny Oniversite.

Marihina fa voaray ao anatin’ny Edurank avokoa ireo Oniversitem-panjakana miisa 6 eto Madagasikara ary samy nanana ny laharana misy azy tsirairay avokoa. Anisan’ny olona nivoaka teo amin’ny Oniversiten’Antananarivo I Hery Rajaonarimampianina izay Filoham-pirenena ny taona 2013 hatramin’ny 2018. “Mirehareha izahay amin’ny maha mpianatra ny toe-karena an’ny Oniversiten’Antananarivo. Mampivoatra ny toe-tsaina io sekoly io. Tsy vitan’ny olona marefo io satria ady mafy vao mahavita ny eny raha oharina amin’ny oniversite tsy miankina. Mety maro ny fanaratsiana fa raha ny kalitaon’ny fampianarana kosa aloha tena azoko lazaina ho ambony”, hoy I Lucas, nianatra tao amin’ny Ekonomia.

Maro ireo sampan hahafahana manovo fahalalana ao amin’ity Oniversite ity ary tena mahatafavoaka mpianatra manana ny maha izy azy hatrany. Mila finiavana sy faharetana anefa ny fianarana eny raha ten ate ho tafa. Marihina fa efa maro ireo olona manan-kanja sy manana ny toerany eto Madagasikara no efa nandalo io Oniversite iray io. Izao laharana tsara misy azy izao anefa dia tokony hanaitra ny tompon’andraikaitra amin’ny fikojakojana ny foto-drafitr’asa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire