Sabotsy Namehana: Efa aman-taona tsy nisy nijery ny lalana ao amin’ny fokontany Tsarafara
Anisan’ny efa ela nametraka fitarainana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mponina ao amin’ny fokontany Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana manoloana ny faharatsian’ny lalana sy ny foto-drafitr’asa ao an-toerana. Efa aman-taona nanaovana fitarainana izy ireo, kanefa tsy mbola nahazo valin’ny fandraisana andraikitra hatramin’izao, raha ny voalaza.
« Efa nanaovana antso avo tamin’ireo tomponandraikitra, tao anatin’ny roa taona izao ny mba hijerena sy hitondrana fanamboarana ny lalana ety amin’ny fokontany Tsarafara. Tsy vitan’ny efa simba ny lalana, fa manano sarotra amin’ny fivezivezena, indrindra amin’izao fahavaratra izao » hoy i Sandy, mponina ao Sabotsy Namehana.
« Ny tena olana sedrain’ny mponina dia ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra ety amin’ny fokontany. Tsy ampy ny fanentanana sy ny fampahafantarana ka dia samy miandry ny olona mahatsapa tena amin’ny fanamboarana sisa » hoy i Njakatiana, mpitondra fiara.
Maro ireo lalana simba sy foto-drafitr’asa mila fanarenana sy fijerena manokana manerana ireo fokontany ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra araka izany ny mponina.
Manitra R.
