ActualitésTatitra

Etats-Unis : John Cox, kandida hilatsaka ho governora ao Californie, nanao fampielezan-kevitra niaraka tamin’ny « ours »

Tranga hafakely tao Californie, mba te hiala amin’ny mahazatra isaky ny fampielezan-kevitra hilatsaka governora ity kandida iray ity ka nitondra « ours », biby lehibe sady mampatahotra, izy nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Iray amin’ireo mpirotsaka ho fidiana tena miazakazaka hisolo ny governoran’i Californie moa i John Cox ary efa nahazo fandrahonana fandroahana amin’ny fitsapa-kevi-bahoaka izay ho avy izy omaly noho izy nitondra « ours » ity nandritra ny fampielezan-keviny. Nisafidy ny lohahevitra « la belle et la bête » moa ity kandindà ity araka ny nambarany, ka ny governora demokraty Gavin Newsom, izay malaza amin’ny fitsiky sy toe-batana mpanao sarimehitsika no « la belle » ary i John Cox kosa no « la bête » izay hanova ny andavan’androm-piainana efa mahazatra ao Californie. Ity « ours » izay nohentiny ity kosa hono no haneho an’i Californie, izay tsara toerana eo amin’ny sainam-pireneny.

Laisser un commentaire