Nametra-pialana ny Minisitry ny Fahasalamana taorian’ny firehetan’ny hopitaly
10 andro izay nahamay ny hopitaly mikarakara ny mararin’ny Covid-19, izay nahafatesan’olona maherinn’y 80. Nametra-pialana ankehitriny ny Ministry ny Fahasalamana any Irak, Hassan al-Tamimi ny talata 4 ayy lasa teo. Efa natsahatra nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny ampitson’io fahamaizana io ity Minisitra ity ary izao nametra-pialana izao noho ny farany. Etsy an-kilany kosa, Voaroaka ary nahazo sazy ny talen’ny hopitaly Ibn al-Khatib sy ny lefitry ny fintantanany ary ny mpiandraikitra ny fiaroavan’ny olona ao amin’ity toerana ity indrindra ny filohan’ny fahasalamana any amin’ny faritra Atsinanan’i Bagdad. Raha tsiahivina ny zava-niseho ny 25 aprily teo, tamin’nyalina, no niseho ny tantara izay mararin’ny coronavirus maro no main’ny afo vokatrin’ny tsy fitandremana tamin’ireo tavin’oxygène.
