Actualités

Ambohimangakely : Tonga nijery ifotony ny tobin’ny zandarimaria ny ben’ny tanàna

Nandeha teny ifotony, nijery ny tobin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely ny ben’ny tanàna ao an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo. Nisy ny dinika nifanaovana, entina hanatsarana ny asa sy ho fampitaovana ireo zandary miasa ao an-toerana, nandritra izany, araka ny voalaza.

« Mba ahafahan’ny vahoaka miaina ao anaty filaminana sy hanjakan’ny fandriampahalemana, ilaina ny fiaraha-midinika momba ireo filàna sy mametraka paik’ady entina manatanteraka izany. Ao anatin’izany ihany koa, rehefa ampy ny fampitaovana ary mandroso ny asa fampandriana ny fahalemana, milamina ary mirindra ny tanàna manaraka izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Maro ireo sehatra eny ifotony mila ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana. Ohatra amin’izany ny fandaminana eo amin’ny fifamoivoizana, fanaraha-maso ireo mpivezivezy eny rehetra eny. Ilaina ny fiaraha-mientana amin’izy ireny raha tiana ny hampandroso ny kaominina iray » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

Fifanohanana ao anatin’ny kaominina no miteraka fampandrosoana. Ilaina dia ilaina ao anatin’izany ny fiaraha-midinika sy fifanakalozan-kevitra hahafahana mijery sy manapaka ireo paik’ady entina mandrindra ny fiaraha-monina iray.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire