ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Mahafa-po ny voka-bary 

Miakatra ny vokatra ao Anjeva Gara. Nahafa-po ny vokatra raha tamin’ity taona ity noho ny fampiasana zezika ranony. « Tena tsara ny voka-bary tamin’ity taona ity. Nampiasa zezika ranony izahay, ary tena nahafa-po tokoa. Hiroborobo hatrany ny famokarana raha izao » hoy i Hery, mponina ao Anjeva Gara. « Isaorana ireo tantsaha nahatoky hatrany ity zezika ataonay ity. Manampy betsaka ny tantsaha izany amin’ny fampitomboana ny vokatra izany. Raha tsara sakafo ny fambolena dia hahitam-pahombiazana » hoy ny mpamokatra zezika misy ranony ao Anjeva.

Tsy vitsy ireo tantsaha any an-toerana nilaza fa afa-po tamin’ny vokatra niakatra tamin’izao fararano izao. Antenaina mba hiroso hatrany any amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny Malagasy. 

Laisser un commentaire