SocialTsidika

Nidina ny isan’ireo narary tao anatin’ny 15 andro

Tsy nisy firenena naniry ny ho tratran’izao aretina izao fa kosa tsy miatrika izany isika ary anatin’izany indrindra no ilàna ny fiaraha-mientan’ny rehetra manoloana izao valan’aretina izao. Tsikaritra ankehitriny fa nihena ny isan’ireo narary, teo ny fahatongavan-tsainan’ny vahoaka, teo ihany koa ireo fepetra noraisin’ny mpitondra fanjakana satria raha ny 4 ka hatramin’ny 18 aprily dia 7 226 ny isan’ny marary,  4530 kosa izany ny 15 andro taty aoriana. Raha tany Mahajanga no nidiran’ny « variant Afrique du Sud », vitsy sisa ireo marary any an-toerana hoy ny filoham-pirenena omaly Alahady 02 mey 2021, nandritra ny fandaharana manokana nampitain’ny TVM sy RNM. Na izany aza anefa, mbola anaty ady isika manoloana izao areti-mandoza izao izay hita fa tsy mora izany. Koa tsy hitandro-hasasarana ireo mpitondra sy ny tompon’andraikitra manoloana ny adidy goavana amin’ny vahoaka. Mbola anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany isika izao ary mbola mihatra hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka. Nohalefahana kosa ireo fepetra vaovao horaisina amin’ity 15 andro manaraka ity, isan’izany ny famerenana ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana any an-dakilasy indray. Voafehy ve izany ny aretina ? Tsy hatahorana hiakatra intsony ve ny isa ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire