Mety maha voadonan’ny fiara ny fanaovana écouteurs rehefa mandeha tongotra
Indraindray isika variana, mety renodrenoky ny hoe fivoaran’ny teknolojia, fandrosoana dia tsy mahatandrina intsony; mety eny an-dalana eny izany, mety eny amin’ny fiaraha-monina eny, amin’ireny fitaovana fihainona hira, mipetaka amin’ny sofina ireny (écouteurs, casque, sns …). Tsy dia voaresaka matetika, kanefa anisan’ny fifampitaizana tsara apetraka, fa anisan’ny miteraka loza sy trangam-pifamoivoizana ny fihainona azy ireny eny an-dalana.
Ny 29% ny loza mitranga, ahafatesana olona maneran-tany, dia vokatry ny fihainona ireo fiataovana manampin-tsofina ireny. Anisan’ny voa indrindra ao anatin’izany dia ireo tanora adolatsento sy ireo olon-dehibe. Nanomboka ny taona 2010 no nahitana fiakarana io taha io.
Inona no mety ho antony mahatonga izany? Rehefa mandeha eny an-dalana, ka mifantoka na tsia amin’ny zavatra henoiny ny olona iray, dia tsy mahare ireo manodidina azy. Mazava ho azy, tsy ahare ny fiara na moto na bisikileta, mifamezivezy izy, tsy ahatandrina ihany koa raha miampita tampoka, sns. Vokany hafa amin’ny fampiasana azy ireny koa, ny aretin-tsofina. Mahatonga ny sofina ho domelina, tsy maheno firy ary mahatonga aretin-tsofina ny fametahana matetika ireny.
Zava-doza ny fihainoana ireny fitaovana ireny eny an-dalana, ka tsara ny mailo sy mandanjalanja ny fampiasana azy ireny ihany.
Manitra R.
