ActualitésTsidika

Tetikasa Fihariana : Nihaona tamin’ireo tanora mpandraharaha ny filoha

Nanantanteraka fihaonam-be niaraka tamin’ireo tanora mpandraharaha teny Iavoloha ny filoha Andry Rajoelina. Betsaka ny tanora no manana vina amin’ny resaka fandraharahana eto Madagasikara fa eo amin’ny resaka vola matetika no olana mibahana, amin’izany faniriana izany.Maro ny  tanora tonga nanatrika ny fivoriana no nitondra ny hetahetam-pony sy ny  tetikasany .

Seha-pihariana samihafa no hananan’ny tanora tetikasa. Ny olom-pirenena, ny tanora no hanova ny tantaran’ny Madagasikara amin’ny alalan’ny fanantanterahana izany vina izany. “Ny tetikasanay dia hamokatra sakafo eo amin’ny resaka hena. Rehefa nojeranay ny  lalana rehetra mahakasika an’ity sehatra ity dia hitanay fa mila “abbatoir” manara-penitra isika, eto Antananarivo. Betsaka ny “défi”: ny voalohany dia tokony hananan toerana malalaka sy mitokana hametrahana izany. Ny faharoa dia amin’ny resaka rano ho ampiasana. Ny fahatelo eo amin”ny toerana ahafahana manary ireo rano avy nampiasana. Izany no tetikasa entinay”, hoy I Kanto, tanora mpandraharaha amin’ny resaka hena.

Mampihetsika ny ambom-po sy herim-po ho an’ny tanora Malagasy ny fanohanana azy ireo.Efa betsaka ireo firenena izay manosika ny olom-pirenena ao aminy hanangana orinasa. Tsy tokony ho mena-mitaha amin’ny hafa arak’izany I Madagasikara satria tsika dia manana toerana malalaka sy tanora betsaka hanantanteraka izany.” Ny nofiko dia hahita tanora, olom-pirenena betsaka mitantana orinasa lehibe na salantsalany . Noho izany hitady tsika paikady, hametraka ny lamina rehetra ahafahana hanampy sy hanohana anareo amin’ny fanantanterahana izany. Miarahaba anareo rehetra aho amin’ny ezaka izay efa vita, indrindra tamin’ny fikirizana ka nahafana  nanangana ny orinasanreo manokana”, hoy Andry Rajoelina , Filoham-pirenena malagasy.

Zava-dehibe tokoa ny fanohanana ny tanora toy izao. Anisan’ny lalana ahafahan’i Madagasikara, hiroso amin’ny fampiroboroana amin’ny fananana asa ny toy izao. Mampitombo ny isan’ny orinasa ny fananan’ny tanora  tetikasa .Nefa na dia eo arany izany , tokony hijery akaiky ny tantsaha ihany ny fitondram-panjakana. Izy ireny no anisan’ny mpandraharaha mamelon any vahoaka Malagasy ary tena mila tosika goavana.  Ny tantsaha madinika any ambanivohitra dia antoka lehibe mamatsy ny vokatra eto Madagasikara.

Erwan RAN

Laisser un commentaire