Ankadikely Ilafy : Hanomboka ny tournoi 26 Jona
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 2 aprily izao ny « Tournoi 26 Jona 2022 », eto amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely. Azon’ny rehetra atao ny manatrika izany.
« Amin’ny 10 ora maraina no hanomboka ny lalao fifanintsanana. Aoka ireo mpandray anjara rehetra hanaja ny ora voatondro sy ny fandaminana rehetra napetraka » hoy ny tompon’andraikitra. « Miezaka hatrany isika mampiroborobo ny sehatry ny fanatanjahan-tena ho antoky ny fandrosoan’ny tanàna. Manohana hatrany ireo mpilalao ihany koa isika vahoaka » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
Mila mitandrina sy manaraka hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana anefa rehefa mijery izany. Miara-mitandro tena ao anatin’ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina.
Nicole Rafalimananjara
