ActualitésTsidika

Alasora: Misy ny fangatahana kaoperativa vaovao

Misy ny fanangonan-tsonia ho fangatahana kaoperativa vaovao ao Alasora.  Efa betsaka ireo sonia voaray tamin’izany, ary mbola mitohy hatramin’izao.

« Leo ny tsy fanajana ataon’ny kaoperativa sy ireo mpitatitra amin’izao izahay. Tsy hifampiandry eto foana fa aleo tonga dia ny vahoaka no handray andraikitra » hoy i Ando, mponina ao Alasora. « Mbola mitohy foana ny fanangonan-tsonia eto amin’ny kaominina Alasora. Mankasitraka ireo izay efa nahavita izany. Efa saika misy fanangonan-tsonia avokoa ny Fokontany rehetra eto » hoy i Rova, isan’ireo mpanangona Sonia.

Ny hanajana ny lalàna mifehy ny fitaterana no tena ilain’ny vahoaka mba ho tena fitaterana maharitra no misy. Isan’ny filàn’ny olona andavanandro tokoa mantsy ny fiara mpitatitra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire