ActualitésSportTsidika

SSMAF : Misokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra ny hetsika

Ao anatin’ny andiany fahatelo tanteraka ny hetsika SSMAF, amin’izao fotoana izao. Toa ireo andiany tany aloha, hetsika sy fifaninana isan-karazany no hita eny amin’ny BTC Ambohimangakely ary misokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra ny fifaninana, araka ny voalaza.

« Maro ireo hetsika afaka handraisan’ny rehetra anjara ao anatin’ny SSMAF. Ao anatin’izany fifaninana amin’ny sary hoso-doko, ny ranty, ny fifaninana ara-panatanjahan-tena na lalaovin’olo-tokana na isaky ny ekipa izay tsy mifidy taona, tsy mifidy sokajy » hoy ireo mpikarakara ny SSMAF.

« Anisan’ny mampiakatra lenta ny mpifaninana ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao ary tombony lehibe ho an’ireo kely taona kanefa efa manana teknika sy fototra azo hianteherana tsara eo amin’ny taranja ataony. Fanampin’izany ny fizarana sy fahazoana traik’efa miatrika fifaninanana » hoy i Mitia, mpandray anjara tamin’ny SSMAF.

Tsiahivina fa mandritra ny telo volana no hanatanterahana ny SSMA, nanomboka ny 15 jolay izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 16 septambra 2023. Efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana amin’ny fifaninana Foire be amin’izao fotoana izao, ary azo atao ny mitsidika ny pejy facebook BTC ho an’ireo andinindininy.

Manitra R.

Laisser un commentaire