Fifandraisana : Hahazo fiara mpamonjy voina ny faritra Vakinankaratra
Notontosaina tao Antsirabe ny fifanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa eo ami’nny fanjakana Japoné sy ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra. Sora-bola manodidina ny 48 000 Euros no atolotry ny fanjakana Japoné hividianana fiara hoa n’ny mpamonjy voina ho an’ny faritra Vakinakaratra. « Voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana japoné, ny fiaraha-miasa misy eo aminy sy ny Faritra, ary misantatra izany I Vakinankaratra. Mahavantana anay kokoa ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina ambonivohitra tahaka amin’ny Antananarivo, Fort- dauphin. Sambany kosa ny miantefa amin’ny Faritra tahaka izao. » hoy ny Masoivoho miasa eto Madagasikara, Sem Higuchi Yoshihiro. « Anisan’ny olana sedrain’ny faritra sy ny kaominina ny tsy fahampian’ny fiaran’ny mpamonjy voina, hany ka ela vao tonga izy ireo raha sanatria misy loza. Efa mivonona ny Faritra Vakinankaratra amin’ny fampiodinana sy ny fanofanana ireo izay hikirakira izany fitaovana izany » hoy ny Governoran’ny faritra Vakinakaratra, Rakotovao Vyvato. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka ny lanonana fifanaovan-tsonia ny 14 febroary teo. Tonga nanatitra ziany avokoa ireo manam-boninhaitra isan-tsokajiny ao amin’ny faritra Vakinakaratra.
