Fahasalamana: Nanolotra fanafody ho an’ny tra-boina ny orinasa SALAMA
Nanolotra fanafody mitentina 21 tapitrisa Ariary ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny orinasa SALAMA. Izany dia ho fanehoana ny firaisan-kina amin’ny fandraisana an-tanana ireo tra-boina. “Hoentina handraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo tra-boina any amin’ireo Faritra nitondra takaitra noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai ireto fanafody ireto” hoy ny avy ao amin’ny orinasa SALAMA. “Misaotra sy mankasitraka tamin’ny tolotra. Manentana ny rehetra hatrany izahay ny amin’ny fifanomezan-tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana” hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Efa nanao antso avo ny mba hanohanantsika ireo tra-boina ny filohan’ny Repoblika. Tsy vitsy ireo izay efa nitondra izay voatsirambin’ny tanany ho fanampiana ny mpiray tanindrazana.
