SocialTsidika

Tsy fandrim-pahalemana amin’ny halatr’omby any amin’ny faritra Sofia

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tsindry ataon’ireo dahalo izay tena mahazo vahana tokoa amin’ny halatr’omby amin’iny Faritra Sofia, Distrikan’Antsohihy iny. Velon-taraina ny vahoaka manoloana izany, efa misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana enti-manafoana ny tsy fandriam-pahalemana ato amin’ny faritra. Manomboka azo tsapain-tanana ny vokatratoy ny hetsika ataon’ny Zandarimariam-pirenena hamongorana ny halatr’omby sy ny famotsiana ny omby halatra. Ka Omby tsy misy taratasy mazava miisa 153 no sarona tao amin’ny “vala mantsigny” ao Antsahonjo, Kaominina Ankerika, Distrikan’Antsohihy, ny talata 13 aprily 2021. Nogiazana am-balam-pamonjana (fourrière) ao Anahidrano ireo omby ireo. Afaka manatona ao amin’ny Brigade Gendarmerie Anahidrano sy ny Fiadidian’ny Kaominina ao an-toerana araka izany ireo manana omby very manodidina ny faritra voalaza ambony io mba ahafahana mamerina ny omby amin’ny tompony amin’ny alalan’ny taratasy mazava sy manamarina fa ny azy ny omby. Hentitra ny toromarika nomen’ny Governoran’ny Faritra Sofia, Jeneraly Lylyson René de Rolland Urbain sy ny Komandin’ny Fileovana Sofia, Lietinà Kolonely Lys Odon Randriamidona raha tonga nanafatra ireo zandary tao Anahidrano ny alarobia 14 aprily 2021 amin’ny hikarohana sy hisamborana ireo jiolahy namany fa indrindra ny ahazoana ny fitaovam-piadiana eny amin’izy ireo. Nanome toky ny vahoaka amin’injy faritra iny ny Governoran’ny faritra Sofia fa tsy maintsy voalamina sy handry fahalemana ny faritra misy azy.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire