SocialTsidika

Ezaka amin’ny fahatapahan-jiro

Isan’ny mampimenomenona ny olona ka tsy mahataitra ny mponina eto an-drenivohitra intsony ny fahatapahan-jiro. Naharitra lavalava mihitsy aza izany ny Alarobia 14 aprily teo noho ny fianjeran’ny andrin-jiro izay mitondra herinaratra mahery vaika 63KV teo anelanelan’Ambodivona sy Ambohimanambola. Faritra maromaro teto Antananarivo Renivohitra no niharan’ny fahatapahana tamin’izany. Nanao fanambarana mahakasika izany mihitsy ny Tale Jeneralin’ny Jiro sy Rano Malagasy na JIRAMA ny Alarobia 14 aprily tolakandro fa ho ezahana ny tsy hisian’ny fahatapahan-jiro. Efa vita ny fanarenana amin’ny ankapobeny, ary hiezaka izy ireo indrindra amin’izao ankatokin’ny hamehana ara-pahasalamana izao. Marihina fa efa miroso amin’ny asa fanoloana andrinjiro eo amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ny JIRAMA isaky ny alahady. Ilain’ny olona ny herinaratra, indrindra amin’izao valan’aretina izao satria mijanona an-trano avokoa ny ankamaroan’ny olona ka anatin’izany indrindra no tokony hisian’ny ezaka hahafaha-po ny mpanjifa.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire