Tsidika

Efa tokony hanana ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina fanadinana Baccalauréat

Higadona tsy ho ela ny fanadinam-panjakana baccalauréat 2021 izay hotontosaina manomboka ny 9 aogositra izao. « Matahotra ihany aho satria teo ireny fahabangana noho ny valan’aretina ireny » hoy i Natahalie, mpiadina ny fanadinana baccalaureat amin’ity taona ity.

Nilaza kosa anefa tetsy an-kilany ny talen-tsekoly iray fa efa vitavita avokoa ireo fandaharam-pianarana tsara ho hay mialohan’ny tena andro hanaovana ny fanadinana. Tsy miova intsony ny daty ka tsara raha efa famerimberenana fohy sisa no ataon’ireo mpianatra amin’izao. « Mpampianatra taranja SVT aho ary mbola betsaka ny lesona tokony nampiana saingy tsy ampy loatra ny fotoana hany ka nisy ny zana-taranja nofoanana toy ny “immunologie” ka izay hahazahoan’ny ankizy naoty tsara no natao, raha io no tsy hainy dia tokony hovoafehiny avokoa ny zana-taranja hafa” hoy i Zo, mpampianatra.

Tokony efa any amin’ny mpiadina tsirairay ny taratasy fampiantsoana azy handray anjara amin’io fandinana io hoy ny Fitaleavan’ny fanadinam-pirenena. Afaka manatona ny « Office du Baccalauréat » kosa ireo mbola tsy nahavoaray izany mandrahatongan’ny Aogositra. Miisa 196 084 ireo mpiadina voarakitra hanao ity fanadinana ity manerana ny nosy izay nahitana fiakarana hatramin’ny 16%, hoy ny avy ao anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire