Nosy Be : Toerana ahitana tanora vo an’ny VIH SIDA betsaka indrindra
Miakatra ny tahan’ny olona tratran’ny aretina VIH SIDA ary tanora no betsaka indrindra amin’izany. Ny fiverenan’ny sehatry ny fizahantany miasa ka mahatonga ny fahabetsahan’ireo vahiny sy ny fihinanana ialy zava-mahadomelina antsoina hoe « trebeka » no tena mahatonga izany isa izany miakatra be.
« Nosy Be izay toerana ahitana mpizahatany maro noho ireo hetsika maro isan-karazany sy ireo zava-misy mahasarika ny olona ao aminy ka anisan’ny mahatonga izany fiakaran’ny isa izany ny fahabetsahan’ireo mpizaha tany ireo satria ny tanora mbola tsy mahasahy na tsy mahay mampiasa fiarovana rehefa manao firaisana », hoy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ao an-toerana.
« Ankoatra ny maha betsaka mpizahatany azy dia malaza ihany koa amin’izao fotoana izao ilay zava-mahadomelina antsoina hoe « trebeka » izay aletika anaty rà. Ireo tanora no tena mampisa azy io ary ny tena olana dia « seringue » iray no hifandimbiasan’izy ireo ka izany no miteraka ny fiparitahan’ilay VIH SIDA », hoy hatrany ny avy ao amin’ny fahasalamam-bahoaka.
« Efa mitohy ny fanentanana eny anivon’ny sekoly mba tsy hampitombo intsony io isa io. Ao ihany koa ny any amin’ny haino aman-jery isan-karazany. Manana andraikitra amin’izany avokoa anefa ny olona rehetra fa tsy ny avy aty amin’ny Zandary irery ihany satria tsy ho fongatra vetivety io zava-mahadomelina io », hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena.
Ny zava-mahadomelina izay anisan’ny antony iray mampitombo ny VIH SIDA dia miteraka aretina hafa ihany koa ka tokony samy mailo ny Ray aman-dReny mahakasika ny zavatra izay hataon’ireo zanany ireo. Ity aretina ity ihany koa izay efa ampianarina any am-pianarana dia tokony hampitomboana ny fanentanana fa mbola maro ireo tsy mahalala ny fifindrany akory.
Miora Raharisolo
