Etats-Unis : Julia Hawkins, nandresy ny « record » ny 100 m teo amin’ny faha 105 taonany
Teraka ny 10 febroary 1916 i Julia Hawkins. Ny taona 2021 teo dia mbola nandray anjara tamin’ny fiadiana ho tompondaka tamin’ny hazakazaka 100m ho an’ny sokajy 50 taona miakatra (Jeux seniors) tao Louisiane izy.
Vehivavy zokiny indrindra tamin’ny fiadina ny amboara tamin’ny hazakazaka 100 metatra izy tamin’ny taona 2017 tamin’ny fe-potoana 40.12 segondra izay fe-potoana tsara indrindra. Mbola i Julia Hawkins ihany koa no mitana ny « record » amin’ny 100 m vehivavy maherin’ny 100 taona amin’izao fotaoana tamin’ny fe-potoana 1 minitra 20 segondra 95 nandritra io fifaninana tao Louisiane io.
Anisany manaporofo i Julia Hawkins fa tsy ny taona no mitondra ny fanaovana fanatanjahantena. Nanazava izy fa ny fanohanan’ireo olona akaiky azy no mbola ahasahiany. Marihina fa mpitaingina tongomalady i Julia Hawkins fahiny.
