ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Hisy ny fitsarana mitety vohitra ho an’ny latsaky ny 18 taona lahy sy vavy

Nampahafantatra ny avy eo amin’ny kaominina Sabotsy Namehana fa hisy ny fitsarana mitety vohitra ho an’ny olona latsaky ny 18 taona. Ny zoma 16 septambra ho avy io no hanatanterahana ny fitsarana, ka ireo efa nisoratra anarana teny amin’ny fokontany no antsoina hiomana amin’izany. Ho tanterahina ao amin’ny « salle polyvalente” ao amin’ny kaominina ihany.

« Tafiditra ao anatin’ny fandaminana mahakasika ny fanaovana karapandrom-pirenena sy kopia faobe ity hetsika ity, izay hanentanana sahady ireo mponina handray tsara ireo mpanao fanadihadiana » hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo amin’ny kaominina.

« Amin’ny fanatanterahana ny fitsarana, izany hoe amin’ny fanamboarana kopia ho an’ireo tsy mbola manana izany na karapandrom-pirenena, ilaina ny fanetrahan’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ny zaza, izy ireo no vavolombelona voalohany amin’ny fikarakarana ny taratasy amin’ny maha olom-pirenena ilay zaza ho soratana izany » hoy i Alain, mpianatra lalàna.

Zava-dehibe ary manan-danja amin’ny olom-pirenena ny fananana kopia na karapanondro ka tokony hisitraka izany avokoa ny olona tsirairay. Tsy ny kaominina Sabotsy Namehana ihany moa no hisy izao fitsarana mitety vohitra fa hisy avokoa ny fokontany sy kaominina tsirairay, arak any fandaminana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire