Dylan Thiry: Ilay mpanao asa soa voalaza fa mpisandoka.
Ny 10 Janoary lasa teo no tonga teto Madagasikara ilay olo-malaza sy mpandray anjara amin’ny « télé-réalité », Dylan Thiry avy any Luxembourg. Mizara fanampiana ho an’ireo tratran’ny kere any Atsimon’i Madagasinara no anton-diany. “Tsy misy olona lasa nahantra izany rehefa nizara sy nanome ny hafa” hoy izy. Miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera, sy ireo gazety vahiny anefa fa mpisandoka ity teratany vahiny ity. Tsy vao voalohany I Dylan Thiry no nanao hetdika tahaka izao teto Afrika. Efa tany Mali ny tenany saingy noroahan’ny tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Niparitaka taorian’izay fa fisandohana miafina ao ambadika ny asa soa ataony. Nanazava kosa anefa izy fa tsy tian’ny governemanta any Mali haparitaka ny fahantrana sy ny zava-misy any an-toerana ka izay no nandroahana azy. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny resabe mahakasika ny sary nalainy teo anoloana lava-drano andalam-pahavitana Tany Sénégal, ary nolazainy fa izy no nanao azy tao anaty tambajotran-tserasera. Betsaka ny nanohana azy taorian’io, saingy nisy kosa no nilaza fa tsy izy no tompon’antoka tamin’ny fanamboarana io fotodrafitrasa io. Manohy mampiseho ny fanampiana ny olona ataony ao amin’ny Aterineto hatrany anefa ity teratany vahiny ity ary manangona fanampiana ara-bola izy avy amin’ireo manohana ny asa soa ataony. Nitondra fanampiana any Atsimon’i Madagasikara izy amin’izao fandalovany eto izao ary manome sakafo ny mponina any izay ianjadian’ny kere. Mizara ny hevitro ny mpanara-baovao ny amin’ny tena tanjon’i Dylan Thiry, asa soa ho fanampiana ireo sahirana fotsiny ihany ve sa tena misy fisandohana tokoa?
Nicole Rafalimananjara
