Fampianarana: Vehivavy 35 taona no profesora zandriny indrindra nahavita HDR teto Madagasikara
I Chaminah Loulla no profesora zandriny indrindra nahavita HDR na ny « Habilité à Diriger des Recherches » eto Madagasikara. 35 taona izy izay nahazo ny diplaoma tamin’ny « Droits des affaires » izao. Tontosa ny 19 janoary lasa teo ny « soutenance »-ny. Ity farany izay nampitain-davitra noho ny hamehana. « Système Bancaire à Madagascar entre la Modernité et la tradition izay no nosafidiako nanaovana fikarohana » hoy ny Dr Chaminah Loulla. « Zanak’i Sofia avy any Analalava izy. Tale misahana ny Sekolin’ny Lalàna sy ny siansa Politika na ny EDSP ao Mahajanga izy no mpampianatra ao ihany koa. Izy no nahafahana nanokatra ny EDSP Antsohihy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny EDSP Antsohihy. « Reharehan’ny faritra Sofia ny tenany. Ny HDR no diplaoma ambony indrindra amin’ny Diplaoma Frantsay. Miarahaba azy amin’ny alalan’ny vahoakan’i Faritra Sofia ny tenako » hoy ny governoran’ny faritra Sofia, Jeneraly Lylyson René de Rolland. Tao amin’ny Oniversiten’i Rouen tany Normandie France no nianarany. Reharehan’ny nosy tokoa ny fisiany. Tsy hitsanga-menatra manoloana ny fananana manam-pahaizana maro i Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
