ActualitésTatitra

La Réunion : Tafiditra ao anaty ny vanim-potoan’ny ririnina ny nosy

Tafiditra ao anaty ny vanim-potoan’ny ririnina tanteraka ny nosy La Réunion raha ny fanazavana. Omaly 31 may teo dia rakotra fanala izay efa niendrika ranomandry tao amin’ny fiompiana nentim-paharazana ny volkano ao amin’ny Plaine des Cafres.

Raha ny fanazavan’ny mpaminavinan’ny toetr’andro dia hihidina tsikelikely ny maripana ao an-toerana ary ho an’ny omaly dia nahatratra 1,4°C ny maripana teny amin’ny volkano raha 1,5°C ny tao Maïdo. Ny maripana farany ambony indrindra kosa dia eny amoron-dranomasina izay mahatratra 25 hatramin’ny 28°C. Manodidina ny 22 sy 24° kosa izany ao amin’ny « cirque » (Salazie, Mafate ary Cilaos).

Laisser un commentaire