Royaume-Uni : Fantaro ny « Garde Royale »
Mpiambina Gallois ny Welsh Guards. Iray amin’ireo rezimanta miaramila miambina ny mpanjaka britannique na ny “Royal Foot Guards” ao amin’ny British Army na ny sampana an-tanetin’ny tafik’i Royaume-Uni. Ny prince de Galles no nitantana azy hatramin’ny taona 1975. Ankoatra azy dia mandrafitra ny tafika ihany koa ny Grenadier Guards, mpiambina ny tranon’ny mpanjaka, ny Coldstream Guards, ireo tafika mitaingin-tsoavaly, ny Scots Guards ary ny Irish Guards ireo sangany.
Mampiavaka ity tafika ity ny fanamiany. Efa hatramin’ny taona 1831 izany no napetraka, akanjo mena sy satroka vita mainty vita amin’ny volona « ours ». Misy « plumet » fotsy eo ankavia sy bokotra mifanelanelana kosa izy ho an’ny Grenadier Guards, “plumet” mena sy bokotra tsiroaroa ho an’ny Coldstream Guards, tsy misy « plumet » izy ho amin’ny Scots Guards fa mandeha tsitelotelo ny bokotra, « plumet » manga eo ankavanana kosa ho an’ny Irish Guards miampy bokotra tsiefatrefatra ary « plumet » maitso sy fotsy eo ankavia ary bokotra tsidimidimy. Mariky ny rezimanta misy ny tafika tsirairay ireo bokotra ireo.
